Dépêches

AMPANIHY : Mitaky ny hialan’ny pastora ny mpino

21 Febroary, 15h00. Efa enim-bolana izao no nisy tsy fifankahazoana teo amin’ny mpino sy ny mpitandrina ary ny filoham-piangonana. Ny sabotsy 19 febroary 2022 teo dia nidina an-dàlambe namonjy ny fiangonana nilanja sora-baventy ireo mpino kristianina sasany, nitaky ny hialan’ny pastora. Tonga tany an-toerana nandamina ny raharaha kosa ny avy eo anivon’ny Synodam-paritany Betioky Atsimo saingy niala maina. Nisy fihaonana teo amin’ireo nitaky ny hialan’ny pastora sy ny tompon’andraikitry ny Fiangonana omaly alahady ka andrasana ny tohin’ny raharaha.

Laisser un commentaire