Lozam-pifamoivoizana : Olona roa no naratra mafy
25 Aprily, 09h00. Lehilahy roa nandeha kodiaran-droa no tratran’ny lozam-pifamoivoizana omaly alahady 24 aprily 2022, teo anelanelan’i Soaniadanana sy Andranovelona. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifaoka azy ireo raha ny voalazan’ireo mpianatra avy nanao dia fibeazana tany Mahajanga nahita ny tranga. Tsy nifatoka tamin’ny familiana ny kodiaran-droa ny mpamily fa nitoditodika ary nandeha mafy, ka nifatratra tany amin’ilay fiara tsy mataho-dalana. Naratra mafy izy roa lahy, potika tanteraka ny kodiaran-droa, mpianatra kosa no nitondra azy ireo teny amin’ny toeram-pitsaboana.
