Ambatondrazaka : Trano fanaraha-maso ireo voafonja no nilatsahan’ny varatra
25 Aprily, 10h00. Trano kely fanaraha-maso ireo voafonja ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka no potika nilatsahan’ny varatra. Mpiandry fonja iray no naratra vokatr’izany. Tapaka ny jiro tao an-toerana. Nisy tamin’ireo mponina teo amin’ny manodidina ihany koa no may tanana raha mbola nilalao finday ary simba ireo « ampoules » tao amin’ny trano fonenan’izy ireo.
