Volley 2022 : Pologne sy Slovénie no hiara-hikarakara ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny lehilahy
Tokony hotontosaina ao Russie ny fiadiana ny tompondaka eran-tanin’ny « volley-ball » amin’ity taona ity. Noho ny fanafihan’i Russie an’i Ukraine nefa nanapa-kevitra ny federasiona iraisam-pirenena ny fa hoalàna amin’i Russie izany andraikitra izany sy ny toerany ao amin’ny fifaninana. Ukraine no hisolo azy raha ny fantatra.Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny FIVB fa ao Pologne sy Slovénie no hotontosaina io fifaninana io. Misy firenena maro ao Europe ihany koa heverina hanatevin-daharana azy ireo. Mbola tsy voafaritra mazava kosa fotoana hanatanterahana ny fifaninana saingy nokasaina hatao ny volana Aogositra sy Septambra izao izany talohan’ny fanafihana.
