Italie : Nibata fandresena i Max Verstappen
Nanantena ny fandresen’i mpanamory Ferrari (Charles Leclerc sy Carlos Sainz), ny tifosi tamin’ny fifaninanana Formule 1 notanterahina tao amin’ny kianjan’i Imola omaly. Nandiso fanantenana azy ireo ny zava-bitan’ny mpanamory Red Bull (Max Versatppen sy Sergio Perez), izay naka ny toerana voalohany sy faharoa. Fahatelo nanaraka azy roalahy i Lando Norris (McLaren). Mbola i Charles Leclerc hatrany no mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany (isa 86). Manaraka azy i Max Verstappen (isa 59), ary fahatelo i Sergio Perez (isa 54).
