Maurice : Vehivavy bevohoka tratran’ny Covid-19, teraka tany amin’ny hopitaly hitsaboana azy ihany
Vehivavy iray tratran’ny aretina Covid-19 ary tsaboina sy atoka-monina ao amin’ny hopitaly no teraka raha nitondra vohoka nandritra ny 9 volana. Tsy teraka tanaty toerana ara-dalàna izy fa tao amin’ny hopitaly fitsaboina Coronavirus, ENT. Maryam izay 30 taona ary voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina ka nahiditra hopitaly tao Rose-Belle any Maurice ny zoma lasa teo. Naterany tao amin’ny hopitaly izay nitokanany monina ihany ny zanany fahatelo. Ny vadiny koa anefa mbola anatin’ny fihibohana tanteraka ka tsy mahazo mijery akory ny zanany teraka. Tsy dia mifanerasera amin’ny mararin’ny Covid-19 ity ramatoa ity raha ny filazany fa nandritra ny fizahana ara-pahasalamana noho izy mitondra vohoka no nahazahoany ny aretina ary izay ihany koa no antony hivoahany ny trano. Efa nanomana ny fahatongavan’ity zanany ity ihany izy tamin’ireo fitaovana ilaina rehetra. Hatreto aloha ny kohaka ihany no lazaina fa manahirana azy, izy rahateo tsy afaka mihinana fanafody noho izy bevohoka. Manaraka ny ara-pahasalamana hatrany ny fampiterahana azy izay tsy maintsy nodidiana hoy ny loharanom-baovao tao amin’ny hopitaly
