Hongrie : Mpilalao « jeu d’échecs » sangany i Judit Polgár
Voasokajy ho vehivavy mpilalao « jeu d’échecs » sangany indrindran’ny faran’ny taonjato faha-20 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-21 i Judit Polgár omena ny anaram-bosotra hoe « La Reine des Échecs ». Teraka ny 23 jolay 1976 tao Budapest izy ary nomen’ny federasiona iraisam-pirenen’ny « échecs » ny anaram-boninahitra « grand maître international » tany amin’ny fiandohan’ny taona 1992 tany.
Anisan’ireo « jeune prodige » amin’ny « jeu d’échecs » ihany koa i Judit Polgár. Izy no mpilalao voalohany naharesy ny « record » notanan’ilay mpilalao avy an’i Etats-Unis Bobby Fischer nandritra ny 33 taona. Tsy milalao amin’ny fifaninana voatokana ho an’ny vehivavy intsony izy ankehitriny fa avy hatrany dia mifanandrina amin’ireo lehilahy sangany amin’ny « échecs » eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
