ActualitésTsidika

Fako sy voro-damba no hita tao amin’ny lakan-dranon’ny tsena « Pochard »

Isan’ny miteraka ny loto eto an-drenivohitra indrindra ny fofona ratsy ny fahatsetseman’ny lakan-drano. Voasokajy ho anisan’ny firenena maloto indrindra mihitsy aza i Madagasikara amin’izany. Avy aiza anefa ny antony ?

Na dia efa betsaka aza ny ezaka fanentanana amin’ny tsy fandotoana ny tanàna amin’ny fampiasana daba-pako dia mbola maloto foana ny tanàna. « Ny fako plastika na fanary toy ny lamba dia tsy mba fanary any amin’ny lakan-drano amin’ny maha lakan-drano azy fa ny rano ihany tsy misy fangarony no azo ariana amin’ireny » hoy ny tanora iray isan’ny mpanentana amin’ny fahadiovana. Nanatanteraka fabnadiovana lakan-drano teny amin’ny tsena Pochard teny ny av ao amin’ny SMA androany. Fako sy voron-damba maro no nalàna teo. Avy aiza ireo ? Avy any amin’ireo mpampiasa ny tsena ihany izany izay izy ireo ihany avy eo no mitaraina amin’ny fofona maimbo sy ny loto. Mandrora mitsilany no tena mahalaza izany izy ireo ihany no mizaka ny vokany noho ny ataony. Manary fako tsy ilaina intsony any anaty lakan-drano, tsentsina avy eo ny lakan-drano ka mamoaka fofona maimbo tsy zaka, mitaraina indray avy eo ny amin’ny fofona, manadio indray ny mpiasan’ny kaominina dia mitohy hatrany ny fihetsika.

Tsy ny fahazan-dratsy ve no tena tokony ovaina alohan’ny hitarainana ? Tsara tokoa raha dieny kely ny zaza dia ampianarina hikajy ny tontolo iainana mba hanovana ny tantaran’i Madagasikara amin’ny alalan’ireo taranaka tsara fanabeazana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire