ActualitésTatitra

Etats-Unis : Zazavavy kely 4 taona no notifirin’ny zandriny tamin’ny basy

Malalaka loatra ny fimezivezen’ny basy ao Etats-Unis ary manao tandrevaka amin’ny toerana fampirimana azy ireo ray aman-dreny manana izany. Zazavavy kely 4 taona indray no namoy ny ainy noho izany antony izany tao Texas. Voatifitry ny zandriny 3 taona ny basy « semi-automatique » io zaza io rehefa variana ireo olon-dehibe.

Rehefa nahare ny feom-basy kosa ireto farany vao taitra. Zaza efa nitriatra tamin’ny tany nefa no novantanin’izy ireo raha ny tatitry ny « shérif » tao Harris, tao Houston, Ed Gonzalez. Mandrapihavin’ireo mpamonjy voina kosa dia namoy ny ainy ilay zaza. Raha tsiahivina dia 44 000 isa ny olona maty voatifitry ny basy ny taona 2022 teo. Nisy tamin’ireo trangam-pamonoan-tena, vono olona, fitifirana tsy nahy (accident), fiarovan-tena…

Laisser un commentaire