Ambohimangakely : Fantatra ilay razana efa simba hita nisy nanipy tetsy amin’ny Bypass
Taorian’ny nitondran’ny manam-pahefana ny razana izay hita nisy nanary teny amin’ny Bypass ny sabotsy teo, dia fantatra amin’ny ankapobeny ny momba izany. Nanano sarotra ny fanadihadiana izany, vokatry ny fahasimban’ity razana ity, izay efa tsy nisy namantarana azy intsony, araka ny voalaza.
« Rehefa noetin’ireo manampahefana ny razana, natao ny fomba rehetra namantarana azy. Ka voatatitra tamin’izany fa Franck no anaran’ilay hita faty, namaly ihany koa amin’ny fiantsoana hoe Fenneck izy. Manodidina 23 taona ny lehilahy, monina ao Andoharanofotsy ary manao taximoto sy Livraison. Mbola mpianatra izy fa asa kely fanaony izany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Efa tsy mandry intsony ny tany amin’izao fotoana. Tsy fantatra ihany koa na sompatra sy fankahalana no ahavitana izao fa ny angatahana mba hanao ny asany ara-dalàna ny mpitandro filaminana ary hanome sazy sahaza ireo nahavanona ny loza” hoy i Jimmy, mponina ao Ambohimangakely.
Raha tsiahivina, tamin’ny sabotsy teo no nahitan’ny fokonolona razana nifono tao anaty sachet ary efa simba tanteraka. Efa ao anatin’ny fanadihadiana tanetraka ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra amin’izao fotoana izao momba ireo nahavanona ny loza.
Manitra R.
