Hai-trano tetsy Ambodirano Ampefiloha: Nanolotra fanampiana sy tolo-tanana ho an’ireo traboina ny ministeran’ny mponina
Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo niharam-boina, vokatry ny fahamaizana trano, tetsy Ambodirano Ampefiloha, tamin’ny alatsianiny teo ny avy amin’ny ministera misahana ny mponina. Trano miisa 35 no kila forehitry ny afo nandritra izany. Miisa 120 ireo olona tra-boina. Olona iray kosa no naratra ary efa manaraka fitsaboana amin’izao fotoana. Fitaovana ilaina andavan’andro no natolotry ny ministera tamin’izany, izay niaraha-nisalahy tamin’ny BNGRC ihany koa.
