Dépêches

Ambohimandroso: Nosamborina ny vadin’ireo mpianaka nisy namono

Ny alin’ny sabotsy teo no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, tao an-tranony, tao Ambohimandroso Vakinakaratra, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy kely 3 taona sy tapany. Ny alin’izay ihany dia nosamborin’ny zandary ny vadin’ity vehivavy ity, izay nahiahian’ny  fianakaviana ho tompon’antoka tamin’ny raharaha ity. Ankoatra izay, roa lahy hafa ihany koa no nosamborin’ny zandary noho ny fihetsik’izy ireo nampiahiahy nataon’izy ireo. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

Laisser un commentaire