Dépêches

Toetr’andro : vinavina momban’ny rivodoza mandritry ny roa herinandro ho avy.

Ahiana ny hisian’ny rivodoza mety hanakaiky an’i Madagasikara amin’ny herinandro manaraka ho avy izao raha ny vinavinan’ny Météo Madagascar. Mety hanakaiky ireo distrikan’Antsiranana, Ambilobe, Nosy Be, Ambanja, Vohemar, Sambava, Antalaha ary Andapa. Ary koa ahiana  ny hisiana rivodoza mety hanakaiky ireo distrikan’i Maroantsetra, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Toamasina, Analalava, Bealanana, Antsohihy, Befandriana avaratra ary Mandritsara.

Amporisihina araka izany, ho an’ireo distrika ireo, ny hanarahana akaiky ireo antontam-baovao farany momba ny vinavina ho an’ny toetry ny andro manomboka ny faran’ny herinandro izao.

Laisser un commentaire