Ankadikely Ilafy: Ho averina hampiharina ny tetik’asa « Paodroa »
Ho averina ampiharina ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny tetik’asa Paodroa. Nisy ny fivoriana nataon’ireo tomponandraikitra tao an-toerana, tamin’ity herinandro ity, amin’ny fanatanterahana izany indray noho izy nahitana fahombiazana, araka ny voalaza.
« Ny taona 2012 no nanombohan’ny tetikasa ary tanjona tao anatin’izany ny hanalana ireo olona mampiasa lavotondro mba ahafehy ny fanaovana sonia sy hahay hanoratra ny anarany ao anatin’ny 30 minitra ary ao anatin’ny 48 andro dia ahay hamaky teny sy hanoratra » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Hanenika ny fokontany 18 ato anatin’ny kaominina ity tetik’asa ity. Izany moa dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiadiadian’ny kaominina sy ny fikambanana Miotisoa, izay misehatra amin’ny sosialy eto an-toerana ary ny fikambanana AFM Mendrika » hoy hatrany ny tomponandraikitra.
Anisan’ny fahombiazana hita tamin’ny fanatanterahana ity asa ity, dia izy manampy sy manasoa ny mpiara-belona. Hitohy amin’ny fampivoarana ny asa fivelomana moa izany tetikasa izany.
