Alasora : Nozaraina bidon sy kapa ireo mpitondra posy
Nozarain’ny kaominina Alasora bidon sy kapa ireo mpitondra posy ao Alasora. Ny fikambanana Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF) no nanome ireto fanomezana ireto.
« Fitaovana tena ilain’ny mpitondra posy ireto nozaraina azy ireo ireto. Tsara foana ny mifanohana sy mifanampy mba hananana fiarahamonina milamina sy mirindra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. “Isaorana ireo nanome ny fanomezana. Tena misy tokoa ireo manohana anay mpitondra posy. Isan’ireo fitaterana tena ilaina eto Alasora ny posy. Manampy mivantana ny vahoaka amin’ny fitaterana izany » hoy i Liva, mpitondra Posy.
Asa ho an’ny vahoaka tokoa ny fitondrana posy. Rariny raha mahazo fanohanana hatrany izy ireo hanatontosany ny asany.
Nicole Rafalimananjara
