Anosy Avaratra : Hisy ny hetsika « Lire en fête »
Hotanterahana ao Anosy Avaratra ny hetsika « Lire en fête » ny 27 aprily ho avy izao. Ho entina hanomezana lanja ny teny frantsay eo amin’ny fampianarana, ary indrindra ny famakian-teny, ny hetsika.
« Hisy ny diabe sy ny famakiana boky mivantana ary ny fandefasana horanantsary mihetsika ho an’ireo ankizy. Hisy ihany koa ny fanentanana maro isan-karazany sy ny lalao marobe » hoy ny avy ao amin’ny Alliance Française. « Hanasana ny mpianatra rehetra ity hetsika ity. Mila manararaotra isika ary tombony lehibe ny fisian’ny hetsika tahaka izao. Ento ny zanaka ry ray aman-dreny » hoy ny avy amin’ny kaominina Anosy Avaratra.
Ny kaominina sy ny Alliance Française ary ny Bebesam Center no mikarakara ity hetsika ho an’ny ankizy sy ny tontolon’ny boky ity. Tena mila velomina ao am-pon’ny ankizy tokoa ny fitiavana mamaky boky, indrindra noho izy ireny manome fahalalana foana.
Nicole Rafalimananjara
