ActualitésTsidika

Fambolena : Nifarana  ny fiaraha-miasa teo amin’ny  Kaominina sy Formaprod

Manamafy ny fahaizan’ireo olon-tsotra ny fisian’ny fampifoanana amin’ny sehatra fambolena toy izao . Raha ho an’ny kaominina Antanetikely, ao anatin’ny Distrika Atsimondrano, , efa nisy ny fiaraha-miasa manokana miaraka amin’ny Formaprod. Nifarana ny asabotsy 11 martsa 2023, teo ny izany . Nisy araka izany, ny lanonana izay noentina nanakatonana amin’ny fomba ofisialy ity fiaraha-miasa ny roa tonta ity. Notronin’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana ny hetsika . Nanararaotra nisaotra ny tomponandraikitra ao amin’ny Formaprod  sy nanome mari-pankasitrahana  hoan’ireo olona nanaraka ny fampiofanana ny Ben’ny tanàna. « Tanora miisa 250 no nahazo fiofananana ara-pamokarana sy nahazo fampitaovana ary mivelona tanteraka amin’ny asa famokarana tao amin’ny  kaominina. » araka ny voalazan’ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana.

Tsy mijanona ny fampifoanana fa mitohy foana. Na dia misy aza ny fahataperan’ny fiaraha-miasa dia tokony hisy foana ny fampianarana ireo tanora amin’ity asa fambolena.Tsy tokony atao toy ny rano raraka an-tany ny fahaizana  sy fahalalana azo fa tokony hampiharina amin’ny fiainana andavanandro. Nampanantena araka izany ny Ben’ny Tanàna  fa vonona hanohy ny asa fampiofanana sy fanohanana ireo tanora ireo mba hampitombo hatrany ny toe-karen’izy ireo ary hampandroso koa ny kaominina. Zava-dehibe tokoa ny fanarahana ny fiofanana matihanina mba hampitombo ny famokarana. Etsy andaniny, manosika ny tanora hananana antom-pivelomana maharitra ny resaka fambolena ka tsy tokony atao ambanin-javatra.

Anisan’ny antom-piveloman’ny malagasy ny resaka fambolena. Tamin’ny 2020, teo amin’ny 24,7 % ny harin-karena faoben’i Madagasikara amin’ny sehatra fambolena. Raha io isa io dia mbola ambany tokoa. Betsaka ny tany eto Madagasikara, azo hanaovana fambolena. Arakan’ny voalazan’ny Banky irasam-pirenenana, mirefy 408 950 Km2 eo ny velaran-tany azo volena. Noho izany, hantomboka eny anivon’ny fokotany ary miakatra amin’ny kaominina ny fanomezana lanja  ny fambolena. Tsy tokony atao ambanin-javatra araka izany ny fanomezana fiofanana sy fampitaovana ireo olona misehatra amin’ity sehatra ity.

Erwan RAN

Laisser un commentaire