Corée du Nord : Nitifitra « projectile » tsy voafaritra indray i Corée du Nord
Nitifitra « projectile non identifié » indray i Corée du Nord hoy ny tafika ao Corée du Sud ny alakamisy teo. Mbola mitohy ihany ny andrana ataon’i Pyongyang, ary nifanesisesy izany hatramin’ny niandohan’ny taona, hoy izy ireo.Tany atsinanana no nandefasan’ireo izany, hoy ireo lehiben’ny etamajoro ao Corée du Sud. Nanamafy io fitifirana io ihany koa ireo mpiambina ny sisintanin’i Japon ary nandefa hafatra fanairana ireo sambo manoloana io « missile balistique » io izy.Mbola misy « moratoire auto-imposé sur les essais de missiles balistiques intercontinentaux (ICBM) et armes nucléaires » hajain’i Pyongyang nefa amin’izao fotoana. Nipetraka nanomboka ny taona 2018 taorian’ny nihaonan’ny filoha Kim Jong Un tamin’ny filoha an’i Etats-Unis teo aloha Donald Trump izany.Nampitandrina anefa ity filohan’i Corée du Nord ity ny volana janoary teo fa mety handrava io fifanarahana « moratoire » io izy ary efa hita fa namerina andrana samihafa ny tenany.
