ActualitésTatitra

OMS : Tsy mbola nisy firenena nahatratra ny fenitry ny fahadiovan’ny rivotra ny taona 2021 teo

Tsy nisy na dia firenena iray aza nanaja ny fenitry ny kalitaon’ny rivotra napetraky ny OMS ny taona 2021 raha ny valin’ny fanadihadiana nivoaka ny 22 martsa teo. Tanana 6 475 no nanaovana fanadiadiana tamin’izany ary naneho izany fa nisy ireo toerana niakatra aza ny fahalotoan’ny rivotrany rehefa nihena noho ny covid-19 ny taon-dasa.Raha tsiahivina dia nametraka ny OMS fa tokony ho salan’isa antonon’ny PM2.5 (« particules » miantona amin’ny rivotra, ary mampidi-doza) dia tsy mihoatra ny 5 mikrograma isaky ny metatra toratelo. Tanana 3,4% ireo nohadiadiana ihany nefa no nanaraka io fenitra ion y taona lasa teo raha ny fanadihadian’ny lQAir.

Laisser un commentaire