Russie : Ho aloa amin’ny « reconnaissance faciale » ny saran’ny métro ao Moscou
Hihatra manomboka ny 15 oktobra izao amin’ireo toby 241 ao an-toerana ity tetikasy ity. Tsy mila finday, karatra métro na tapakila intsony ireo mpandeha fa mampiditra ny sariny sy ny mombamoba azy sy ny bankiny amin’ny « application » sisa, hoy i Anna Lapouchkina, filoha lefitry ny asa fanaovan-gazety ao amin’ny departemantan’ny fitaterana an-tanàn-dehibe. Entina hanafainganana ny fandoavam-bola sy tsy hisain’ny filaharam-be izany raha ny fanazavany noho izy haingam-piasa avy teloeny noho ny fandohavam-bola tsotra. Azo itokiana tanteraka hoy izy ny fiarovana ny mombamomban’ny tsirairay.
