ActualitésTatitra

Suriname : Izy no tena hoe « tompom-baolina »

Filoha lefitr’i Suriname i Ronnie Brunswijk, 60 taona ary. Izy no tompon’ilay ekipa « Inter Moengotapoe » ary kapitenin’io ekipa io ihany koa. Antony tsy nanekeny ny tsy handraisany anjara nandritra ny lalao  » 8ème de finale pour la Ligue des Champions de la Concacaf » izay nihaonany tamin’ny klioba « Olimpia » avy any Honduras, izany toerana misy azy izany.Mpanao politika ary mpanafika banky teo aloha i Ronnie Brunswijk. Efa lehiben’ny mpihoko ary mpanondrana volamena ihany koa izy. Ary anisan’ny tena mahavariana ny fananany zanaka 50 farafahakeliny. Marihina fa naharitra 54 minitra ny lalao izay nataon’izy ireo tao amin’ny kianja izay mitondra ny anarany ary resy 6-0 ny ekipa notarihany. Ny laharana 61 no tarehimarika nosafidiany, izay taona nahaterahany.

Laisser un commentaire