Turquie : Mitohy ny fanadihadiana taorian’ny fanafihana tao Istanbul ny alahady teo
Nisehoana fipoahana nandoza tao amin’ny lalan’i Istiklal ao Istamnbul ny alahady teo. Teo amin’ny lalan’ny mpandeha feno mponina sy mpizaha tany nifamezivezy no niseho ny tranga ka tsy latsakin’ny 6 ny maty ary naherin’ny 81 ny naratra, roa tamin’izany no naratra mafy.
Raha ny vaovao farany dia efa voasambotra ny olona nametraka ny baomba nitarika io fipoahana io. Nilaza ny filohan’i Turquie, Recep Tayyip Erdogan sy ny filoha lefiny, Fuat Oktay fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny tranga fa vehivavy no nanatontosa io fanafihana io.
Taorian’ny fisamborana kosa dia nanameloka ny vondrona mpampihorohoro PKK ho ao ambadik’io fanafihana io ny minisitry ny atitany ao an-toerana, Soumeylan Soylu.
