Fahavitan-tena ara-tsakafo: Hamokatra katsaka sy apemba i Itasy hamatsiana an’ny Androy.
Amin’ny alalan’ny fandaharan’asan’ny Programme Alimentaire Mondiale (PAM) izay mifototra amin’ny fahavitan-tsena ara-tsakafo dia misy ny fifanohanana eo amin’ny samy faritra. Amin’izao fotoana izao dia mamokatra karsaka sy apemba ny faritra Itasy hahafahana mamatsy ny Bankin-tsakafo ao Androy. Tany mirefy 500ha no voarakitra ao anatin’ny fifanarahana hahafahana mamboly ireo voly ireo sy ny karazana sakafo hafa.
“Katsaka sy apemba aloha no hiantombohana. Mifanaraka amin’ny vanim-potoana ny fanovana ny vokatra ho volena. Misy ny fanohanana avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny karazana masomboly tsara kalitao ho ampiasaina. Eo ihany koa ireo fitaovana madinika entina hampiasaina amin’ny fambolena. Misy hatrany ny fitsirihana ny kalitaon’ny fambolena avy amin’ny Ministera”, hoy ny avy ao amin’ny Faritra Itasy.
Tsy mpanome baiko fotsiny ihany ny PAM fa ao ihany koa ny fandraisan’izy ireo anjara mivantana. “Ny tanjona amin’ity programme ity di any fahavitan-tena ara-tsakafon’ny faritra Atsimon’ny Nosy sy ny fanampiana amin’ny ady amin’ny Kere. Hanolotra masomboly katsaka milanja 7.5taonina izahay sy apemba 1 taonina ho an’ny Itasy. Mety hisy ihany koa ny fametrahana toerana hahafahana manodina ireo vokatra ireo”, hoy ny avy ao amin’ny PAM.
Miseho amin’ny alalan’ny fividianan’ny PAM ny 80% amin’ny vokatra avy ao Itasy ny fiaraha-miasa. Manaraka izany dia ny faritra Androy no hametraka ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanangonam-bokatra sy ny fitaterana. Afaka tsy hampiato ny vokatra ara-tsakafon’ny faritra marefo ity tetik’asa ity araka izany.
Miora Raharisolo
