Nanao vaksiny Janssen ny Praiministra
Tonga nanatanteraka ny fanaovam-baksiny teny amin’ny hopitaly Befelatanana ny Praiministra Ntsay Christian ny 26 aogositra teo. Ny vaksiny Janssen avy amin’ny laboratoara Johnson&Johnson no nataony. « Mbola misy ny aretina ary izany no tena tokony hahamalina mandrakariva antsika, ny fanaovam-baksiny no tena vahaolana hita maneran-tany » hoy ny Praiministra.
« Miisa 3500 hatreto ireo olona nisitraka ny vaksiny Janssen an’ny laboratoara Jonhsson and Jonhsson, ary mbola miantso anareo hatrany hanao izany fa sady fiarovana ny tena no fiarovana ny hafa izany » hoy ny Dokotera Rakotonavalona Rivomalala, Tale misahana ny Fitantanana ny Fanaovam-baksiny (DEPEV). « Ny any ivelany izao misisika manao vaksiny mihitsy ny olona ary sahy mividy lafo izany mihitsy, ny eto amintsika maimaimpoana » hoy i Holy, tanora efa nahavita vaksiny ary hanovo fianarana any ivelany. « Izaho manokana tsy liana amin’ilay vaksiny fa satria milamina foana hatreto ny fahasalamako, tsy nararirary na dia namay be aza ny covid-19 teto amintsika ka ataoko inona vaksiny ? Efa mahatohatra ny aretina anie izany ny vatako » hoy i Naval, tanora mianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Tiana anefa ny manamarika fa ao amin’ny CHU Joseph Raseta Befelatanana irery ihany ny ivon-toerana manokana afaka hanatanterahana izany fanaovam-baksiny Janssen izany hatreto. Laharam-pahamehana ny mpianatra ho any ivelany, ny mpamita iraka any ivelany ary ny mpiasan’ny fahasalamana noho ny antony ara-taratasy izay takian’ny firenena handehanany.
Nicole Rafalimananjara
