ActualitésTsidika

Ambilobe: Mitohy ny asa fananganana ny “projet parc solaire” 1MW

Tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena ny fisiotrahana angovo sy herinaratra ho an’ny rehetra. Nisy ny olana izay nosedraina ka nampijanona ny asa fanarenana ilay « parc solaire 1MW » ao Ambilobe Diana. Efa nisy ny famahana ny olana ka efa miverina manohy ny asa ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.

« Efa mitohy ny fametrahana ny tsatoby ary tombanana ho vita ao anatin’ny iray volana raha ela indrindra satria efa manana fitaovana manara-penitra ireo mpanatanteraka ny tetik’asa. Tsy maintsy hatao haingana ny asa satria hita ny filàn’ny mponina izany herinaratra izany amin’ny asa rehetra isan’andro », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo.

« Sao sanatria fahataitairana vetivety izy ity ka hanao asa tsy manaraka ny fenitar sy ny hodidina misy ilay toerana akory. Mety betsaka ny rivotra any fa toerana matetika handalovan’ny rivo-doza ihany koa iny toerana iny. Mila hatao mafy araka izany ny fototra misy ireo tsatoby ireo sao ho mora ravan’ny rivotra satria sady vahaolana amin’ny herinaratra tapatapaka izy io no ilaina betsaka kokoa rehefa fahavaratra », hoy i Tsiferana, mpikaroka momba ny angovo azo havaozina.

Nanambarana hatrany ny avy ao amin’ny Ministera fa hampitoviana avokoa ny faritra rehetra ka hatomboka tsy ho ela koa ny asa fametrahana « parc solaire » 1MW ao Marovoay, Faritra Boeny. Manao ny ezaka rehetra ny minisitera hamahana ireo sakatsakana sy hanafainganana ny fanombohana ny asa. Amin’ny fananana iombonana toy izao no hampiharana ny fahaiza-miaina indrindra mahakasika ny fanajana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire