ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny CFPF Antsofinondry

Manana andraikitra lehibe amin’ny fampivoarana ny sosialin’ny mponina ao Sabotsy Namehana ny CFPF Antsofinondry. Efa misokatra ankehitriny ny fisoratana anarana ho an’ny andiany fahavalo ao amin’ity toeram-piofanana iray ity.

« Tsy mitsahatra mitondra ny anjara birikiny mba ahafahan’ny mponina mivoatra ara-pivelomana ny CFPF Antsofinondry. Miara-maisa amin’ny kaominina amin’ny fampandrosoana izy ireo » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana. « Azo atao ny misoratra anarana mivantana ety Antsofinondry. Betsaka ny fiofanana hita ato ary misy mari-pahaizana zaraina amin’ny farany. Maharitra telo volana ny fiofanana » hoy ny tompon’andraikitra ao main’ny CFPF Antsofinondry.

Maro ny fiofanana hita ao, toy ny fanhandroan-tsakafo, ny zaitra, ny asa tanana, ny tontolon’ny solosaina, ny famboelna sy ny fiompiana. Tsy vitsy ireo tanora tonga manohina ny antso amin’izao fiofanana arak’asa izao. 

Laisser un commentaire