SocialTsidika

Anjozorobe : Olona 9 no am-pelatanan’ireo dahalo

Matetika loatra ny tsy fandrim-pahalemana amin’iny faritra Anjozorobe, izay tena mampitaraina ny mponina mihitsy. Mitohy hatrany ihany koa ny taratasy alefan’ireo dahalo amin’ny vahoaka izay mampihomana fa ho avy izy. Maromaro ireo efa namoy ny ainy, izay novonoina sy notifirin’ireo nahavanon-doza. Mapivarahontsana ny zava-misy ankehitriny noho ny afitsok’ireo jiolahy mpaka an-keriny. Tafiakatra 9 ireo nalaina an-keriny ary mbola any am-pelatanan’ny olon-dratsy hatarmin’izao, raha ny 4 no efa nalainy ny 27 aprily lasa teo. Misy zaza 5 taona ny iray ary ny 5 no nosamborin’izy ireo Omaly 03 mey izay vehivavy roa sy lehilahy telo avy ao Ambohimiarina Betatao. Mora amin’izy ireo kokoa amin’izao fotoana ny maka takalon’aina hahazahoana vola noho ny mangalatra omby mivantana. Ny 23 Mars teo aza. Olona iray avy ao Beherana no novonoin’izy ireo ary enina andro taorian’izay vao navelany ny vady aman-janak’ity maty raha nahazo vola 10 tapitrisa Ariary. Efa manao izay azony atao ny zandary saingy etsy an-kilany tsy hitsitsy ny dahalo raha misy ny olana. Miaina anaty tahotra toy izany ny vahoaka kanefa tokony hiara-hisalahy sy hanambatra hery ny mponina sy ny mpitandro filaminana handringanana izany. Tokony hojerena akaiky izao olana miantra aman’aina izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire