Talata Volonondry: Mila fanentanana ireo mpamily fiara vaventy
Kamiao lehibe iray sy fiara mpitatitra indray no nifandona tao amin’ny lalam-pirenena fahatelo, ny faran’ny herinandro teo, vokatry ny tsy fahafehezan’ny mpamily ny fiara. Anisan’ ny lalana fivezivezen’ny fiara lehibe ity lalana ity, ka mitaraina ireo mpitondra fiara kely manoloana izany.
“Ilaina foana ny fahafehezana ny familiana, indrindra rehefa mampiasa ny lalam-pirenena satria misy amin’ireo mpamily kamiao no manao kely tsy mba mamindro ka miteraka loza ho an’ny hafa. Tokony hifanaja ny mpampiasa lalana, fa indrindra manaja ny lalan’ny fifamoivoizana hialana amin’ny tahaka izao” hoy i Hery, mpampiasa ny lalam-pirenena faha telo.
“Ilaina ny fifandeferana sy ny fifanajana eo amin’ny samy mpamily. Miainga amin’izany no hisian’ny filaminana, fa indrindra ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Iaraha-mahalala fa tery ny lalana eto amintsika ka tokony hifampitaiza sy hifandefitra ny tsirairay” hoy i Tolotra, mponina ao Talata Volonondry.
Zava-dehibe ny fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Raha eto Madagasikara, tsy mbola voafehy tanteraka izany. Tsy tokony hiandry tomponandraikitra sy mpandamina hatrany vao hanaja izany.
