ActualitésTsidika

Alasora : Hisokatra ny ivon-toerana fitsarana fiarakodia Bypass

Hisokatra handray ny mpanjifa ny foibe fitsarana fiarakodia, Bypass Alasora, manomboka ny sabotsy 16 martsa sy 23 martsa 2023.

« Ny foibe fitsarana fiarakodia (direction générale de la sécurité) dia mandray izao fepetra izao ho fanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa sahirana nohon’ny asa aman-draharaha amin’ny andavanandro fa hisokatra sy hiasa ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia (Centre de sécurité routière) By-pass Alasora, isaky ny asabotsy, manomboka ny sabotsy 16 sy 23 marsa 2024 amin’ny 7ora ka hatramin’ny 3ora tolakandro, ora tsy miato » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.

« Mitohy ny Zoma 29 marsa 2024 izany andro fisokafana izany. Fanombohana ihany izao fa mbola hisy ny lamina apetraka araka ny filàna isam-paritra.Ny fanatanterahana ny fitsirihana ara-teknikan’ny fiara ara-potoana dia efa antoka iray hisorohana mialoha ny mety ho trangana lozam-pifamoivoizana sy hampilamina antsika mpanjifa eny an-dalana » hoy hatrany ny fanazavana.

Ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia etsy Bypass Alasora moa dia azo antsoina amin’ny laharana 0348949245. Na koa ny sampan-draharahan’ny serasera 0344722880.

Laisser un commentaire