Fanatanjahantena: Ilay teratany Bosnie no hifanandrina voalohany amin’ny Laura Rasoanaivo
Efa fantatra amin’izao fotoana izao ny mpifanandrina voalohany amin’I Laura Rasoanaivo mandritra ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tanin’ny Judo. Ilay teratany Bosnie Aleksandra Samardzic izany, faha 56 amin’ny filaharana maneran-tany amin’ny latsaky ny 70kg. Ao Doha no hanatanterahana izany lalao izany ny 11mai ho avy izao.
“Sambany vao hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny latsaky ny 70kg ka tena mafimafy ny ady. Tsy misy hatahorana satria efa nivonona tamin’ny zavatra rehetra izay miseho. Anisan’ny fotoana iray hatao hitadiavana isa ihany koa ity hahafahana miatrika ny lalao Olimpika ao Paris amin’ny taona 2024”, hoy I Laura Rasoanaivo, nanambara ny fahavononany.
Ankoatra an’I Laura dia niaraka tamin’ny any an-toerana ihany koa i Haingo Ramiandrisoa izay hiaro ny voninahi-pirenena ihany koa amin’ny sokajy milanja 78 kilao.
“Ilay Koreanina tatsimo Saetbyeol Park izay faha 82 amin’ny filaharana maneran-tany no hifanandrina amin’I Haingo Ramiandrisoa. Hiisa 41 ireo hiady ny toerana amin’ity sokajy misy azy ity. Efa tsara ny fiomanana fa miandry ny figadonan’ny fotoana sisa izy ireo mpandray anjara”, hoy ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Judo.
Efa any Doha amin’izao fotoana izao ireto delegasiona Malagasy ireto izay tarihan’I Mamy Randriamasinoro, tale teknika nasionalin’ny Federasiona. Mirary soa hatrany hitondra avo ny voninahi-pirenena.
Miora Raharisolo
