ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nangataka ny fandrarana ny famanana « fusils d’assauts » ny filoha Joe Biden

Maro ny tranga fifampitifirana miseho ao Etats-Unis. Raha ny fanazavana dia ao Texas no isehoan’ny ankahamaroan’izany. Manoloana izany dia nangataka tamin’ny kongresy hamolavola lalàna mandrara ny famanana « fusils d’assauts » sy « chargeurs » ny filoha Joe Biden. Nanamafy ihany koa ny tenanay fa mila jerena ny firaketana heloka bevava ny olona iray sy ny fahasalamany ara-tsainy alohan’ny hamarotana basy aminy.

Hosoniavin’ny filoha Joe Biden hoy izy raha tontosa izany volavolan-dalàna izany ary tena mila atao laharam-pahamehana izany raha ny fanamafisany mba hamonjena ain’olona. Raha tsiahivina dia miantoka ny zo fananan’ny mponina basy ny « Deuxième amendement de la Constitution » ao Etats-Unis.

Laisser un commentaire