ActualitésTsidika

Alasora : Mangataka ny hanamboarana ireo lalana ao an-toerana ny mponina

Lalana ao amin’ny fokontany iray ao anatin’ny kaominina Alasora no mampitaraina ireo mponina mpampiasa azy noho ny faharatsiany sy ny fahasimbany tanteraka amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao. Mangataka ireo mponina ny hijeren’ny tomponandraikitra izany ary ny hitondrana fanamboarana manoloana izany.

“Ao anatin’ny fotoan’ny fahavaratra izao, miantso sy mampatsiahy ireo tomponandraikitra isa-tsokajiny mba hitondra vahaolana, hijery akaiky mahakasika ity lalana ity fa tena mampijaly ary miteraka fahavoazana amin’ny lafin’ny maro izao fahasimbana izao” hoy I Véronique, mponina ao Alasora.

“Tokony hifanaraka ihany ny tolotra sy ny tinady eo amin’ireo tomponandraikitra sy ireo mpampiasa ny lalana. Misy hatrany ny fandoavana ny ristourne sy ny hetra isan-karazany kanefa ireo asa atao enti-manatsara ny foto-drafitr’asa tsy hita taratra” hoy I Maurice, mpitondra kamiao.

Anisan’ny fotoana mahatonga sy mahabe ny fahasimban’ny lalana tokoa izao fotoan’ny fahavaratra izao, indrindra taorian’ireo oram-be nisesy nandritra iny herinandro iny. Entanina araka izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny mba handray fepetra mifanaraka izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire