Dépêches

Fampianarana: Mpianatra avy amin’ny sampana teknika nahazo vatsi-pianarana any Maroc

Dépêche 06 décembre, 15h, Mpianatra miisa 18 avy nahazo ny mari-pahaizana BAC ny taona 2021 no nahazo vatsi-pianarana ahdneha handrato fahalalana any Maroc. Mpianatra avy amin’ny faritra maro no izao nahazo vatsi-pianarana izao ary samy hanaraka ny sampana samy manana ny azy izy ireo rehefa tonga any. Noraisian’ny fanjakana an-tanana ny saran-dalana sy ny fahatongavan’ireto mpianatra ireto ny any Maorc. Nanao Sonia ny taratasim-pifanarahana mahakasika ny tsy maintsy hodiany ireto mpianatra ireto raha vao vita ny fianarana mba hitondra ny fahaizany ihany koa hanampiana ny Malagasy sasany.

Laisser un commentaire