Dépêches

Politika : Efa tsy mahaliana ny tanora ankehitriny intsony ny miresaka izany

Dépêche 16 mai, 11h, Efa maro amin’izao fotoana izao ireo tanora no tsy liana amin’ny resaka politika intsony, mety efa tsy tia intsony mihitsy noho ny fisehon’izany eto amin’ny Nosy. Raha ny fanambaran’ny Solombavam-bahoaka lefitra ao Sambava anefa dia sehatra iray tsy maintsy ilain’ny firenena ny politika ka ireo tanora mihitsy no entanina handray anjara mavitrika amin’izany. Nisy araka izany ny fifanakalozan-kevitra sy ady hevitra niarahana tamin’ireo mpianatra tao Sambava. Ny tanjona tamin’izany hetsika izany dia ahafahana manomana sahady ireo tanora ireo hahay hampihatra ny politika madio sy marina aoriana kely ao. Niarahana tamin’ny Alliance Française tao Sambava, ny Fikambanana Diversity ary ny DREN Sava ity hetsika ity.

Laisser un commentaire