ActualitésTsidika

Literatiora : Mihaiky ny fahaizan’i Michèle Rakotoson avokoa ireo mpitia boky

Tsara indray ny toeran’ny Madagasikara nandritra ny POLA 2023. Lasan’I Michèle Rakotoson ny laharana voalohany tamin’ny Prix Orange du Livre en Afrique andiany fahadimy. Ilay boky nitondra ny lohateny hoe « Ambatomanga, le silence et la douleur » no nahazoany izany loka lehibe izany. Nankasitraka sy nidera ny fahaizany avokoa ny mpitia boky rehetra ka maro ireo manohana azy amin’izany asa fanoratana hataony izany.

« Rehareha ny fananana an’i Michèle Rakotoson izay tena manampahaizana betsaka amin’ity asa ity. Manaitra ihany koa ny sain’ny ankizy sy ny tanora amin’izao fotoana izao ho tia mamaky boky hahalala ny tantara indray. Araka izany dia ho fanaksitrahana azy dia hanokanana iray volana be izao izy hahafahana mampahafantatra ny asa sorany ao amin’ny tranombokim-pirenena nasionaly », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

« Efa mpamaky ny asa sorany an-gazety foana hatramin’izay. Efa nampianariny ihany koa fa tena mirehareha fa tena mahay izy ary tena rariny raha nahazo ny laharana voalohany ity boky ity. Tsy maintsy hividy amin’io boky io indray aloha fa tena mahaliana hatrany vao i Michèle no manoratra », hoy i William, mpankafy mamaky boky.

Ankoatra ny maha-mpanoratra ny tenany dia sady mpanao gazety izy no mpampianatra. Araka izany dia miasa mafy ary efa manana traikefa betsaka amin’ny fanoratana izy. Tsy hanenenana ny mandray anjara amin’ny bokiny ho an’ny mpankafy vaky boky. Ami’izay fotoana izay sady mahazo fahafinaretana no mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny asa soratra vita Malagasy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire