ActualitésTatitra

Russie : Olona 30 eo ho eo no tsy hita niaraka tamin’ny fiaramanidina

Nanatanteraka sidina tao renivohitr’i Petropavlovsk-Kamchatsky nakao amina tanàna kely ao Palana ity fiaramanidina ity no tsy hitan’ny radara tampoka araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny AFP Valentina Glazova.  Nitondra mpandeha 23 sy ekipa 6 ny fiaramanidina arak any fanazavany. Ny minisiteran’ny vonjy taitra kosa tetsy andaniny nilaza fa 28 ny olona tao anatin’ny fiaramanidina ary 22 tamin’ireo no mpandeha.

« Efa manomboka ny fikarohana sy famonjena » hoy i Valentina Glazova. « Ny fantatra aloha hatreto (talata maraina) dia tsy mandeha intsony ny fifandraisana amin’ny fiaramanidina ary tsy mbola niantsona ny fiaramanidina » raha ny nambarany hatrany. Maro ny niparitaka tamin’ny tsy fahitana ity fiaramanidina ity, ao ireo milaza tamin’ny mpanao gazety Tass fa mety nisy fahasimbana ny fiara manidina ka nivarina an-dranomasina. Raha nianjera teo akaikin’ny toeram-pitrandrahana arintany akaikin’i Palana kosa hoy ny sasany tamin’ny Interfax.

Laisser un commentaire