Tsy fahandrim-pahalemana eny amin’ny RN7
Lehilahy iray no nisy nanendaka teny Imandry ny zoma teo no namoy ny ainy noho ny daroka nataon’ny mpanendaka azy. « Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra izahay mba hijerena akaiky ny fandriam-pahalemana amin’ity faritra ity » hoy ireo mipetraka manamorona ny RN7 noho ny firongatry ny fanendahana miharo vono misy eny an-toerana.
Lehilahy roa indray no lasibatr’ireo tsy matao tody ireo ny harivan’ny talata tokony ho tamin’ny 07 ora teo rehefa avy nivarotra vorona tany Anjoma ka hamonjy fodiana any Antanambao Fierenana. “Nanaraka anay avy ao aoriana iz ireo ary rehefa tonga teo anoloan’ny tranonay izahay dia nisy nidaroka mafy” araka ny fitantaran’ny niharam-boina. Tsy nahatsiaro tena noho ny fahaverezan-drà be loatra ny iray tamin’ireo ary atahorana mafy ny ainy.
Nivoaka avokoa ny olona saingy tsy tratra intsony ireo olon-dratsy hoy ny manodidina. Bisikiletan’ny niharam-boina kosa no lasan’ireto mpanendaka ireto.
Hasina Rasamimanana
