ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tafapetraka ireo jiro cobras teny amin’ny fokontany miisa efatra

Tontosa soa aman-tsara tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny fametrahana ireo jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro (cobras) teny amin’ireo fokontany ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Hazavao ny tanàna sy ny elakelan-trano izany an’ny ministera misahana ny angovo sy ny akoran’afo izany, araka ny voalaza.

« Araka ny tetik’asan’ny fitondram-panjakana izay notarihin’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, dia tanteraka soa aman-sara ny fametrahana ireo jiro cobras tety amin’ny fokontany Andranovao, Ikianja, Ambohimahitsy, By-pass sy Rondpoint Ambodivoara. Hisaorana ny fitondram-panjakana manao ny ezaka rehetra, indrindra ny fitondrana hazavana ety ifotony » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Nampiova avy hatrany ny endriky ny fokontany ny fisian’ireo jiro. Hafa kokoa ny tanàna rehefa misy ny hazavana. Hisaorana ny tomponandraikitra satria ny efa ela ny mponina no niandry izao, mba hiafana ny tsy fandriam-pahalemana ary ny mpiara-monina tokony ho sarotiny amin’ny fikojana izany » hoy i Hasina, mponina ao Ambohimangakely.

Mbola hitohy amin’ireo fokontany hafa ao an-toerana moa izany fametrahana jiro izany ary samy ahazo ny anjarany avokoa ny fokontany rehetra. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny tanàna sy hanamafisana ny fandriam-pahalemana moa izany ho an’ny kaominina.

Manitra R.

Laisser un commentaire