Etats-Unis : Olona 5 maty tao anaty toeram-pandihizana LGBT
Nisehoana fifampitifirana nahafaty olona 5 ary nandratrana olona 18 teo tao amin’ny toeram-pandihizana LGBT iray tao Colorado Springs ny faran’ny herinandro teo. Manodidina ny misasakalin’ny sabotsy teo no naharay antso ny manam-pahefana tao an-toerana fa nisy olona nitam-piadiana tao amin’ny toeram-pandihizana.
Mbola tsy fantatra mazava ny anton’io fifampitiforana io hoy ny mpitondra tenin’ny manam-pahefana, Pamela Castro. Efa notanan’izy ireo vonjimaika kosa ilay olona noahiahiana noteraka ny loza. Nilaza kosa ny tompon’andraikitrin’ilay toeram-pandihizana antsoina hoe Club Q fa nohon’ny fankahalana no nanatontosana io fihetsika io.
Mbola mitohy moa ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha.
