Fanabeazana : Nisokatra ny trano fivarotam-boky « La Canopée » ao amin’ny La City Ivandry
Dépêche 22 novembre, 11h, Hahazo ny anjarany indray ireo mpitia boky sy mpamaky boky noho ny fisokafan’ity trano fivarotam-boky nomena ny anarana hoe « La Canopée » ity. Adiresy iray ahafahana mianoka ireo boky, indrindra fa ireo bokin’ny tanora, ary toerana iray mampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainana. Ahitana boky karazany maro ity toerana ity : ny bandes dessinées, boky fianarana asy ny maro hafa. Ireo tnora no tena hahazo tombony noho ny habetsaky ny boky ho azy ireo. Ankoatra izany reehtra izany dia ahitana boky ahafahana mampivoatra ny saina sy ny mahaolona ihany koa ao. Tanjona lehibe ny hiaro ny tontolo iainana ka misy boky betsaka mahakasika izany ao an-toerana. Ao amin’ny La City Ivandry no ahitana ny La Canopée.
