ActualitésTatitra

Belgique : Voameloka higadra 30 taona i Mohamed Dahmane

Tsy ilay mpilalao baolina kitra Mohamed Dahmane milalao ao amin’ny Royal Olympic Club de Charleroi akory io voaheloka higadra 30 taona io fa ilay tovolahy namono an’i Mégane Tamburrini. Raha hiverenana ny tranga dia hita faty ny volana martsa 2020 tao amin’ny rue Raymond Geenen tao Bressoux i Mégane Tamburrini, 22 taona ary maty voatsatok’antsy teo amin’ny tendany.

Saika naolan’i Mohamed Dahmane i Mégane Tamburrini, rehefa niezaka niaro-tena nefa izy dia notsatohan’io lehilahy io ny antsy. Efa nalaza ratsy io tovolahy io ary efa voarohirohy tamin’ny trangan’herisetra maro, manoloana izany dia nomelohin’ny mpampanoa lalàn’i Liège higadra 30 taona izy nanditra ny fitsarana azy ny fiandohan’ny herinandro teo.

Laisser un commentaire