Ambohimanambola: Mizotra miandalana ny fampiharana ny servisy Raoka Fako ao Tanjonandriana
Mizotra tsikelikely ny fampiharana ireo dingana amin’ny fampiharana ny service Raoka Fako ao amin’ny fokontany Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola. Nisy ny fivoriambem-pokonolona notontosaina tao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo nentina nampahafantarina izany.
« Izao fivoriana izao moa dia natao indrindra, entina ampahafantarana ny sy nanolorana ny rehetra ireo tsara ho fantatra mahakasika ny service Raoka fako. Hanomboka ny 7 jolay io ny fanentanana sy ny fandehanana isam-baravarana ao amin’ny fokontany » hoy ireo tomponandraikitra misahana ny service.
« Tena ilaina ny fanatrehana fivoriana tahaka izao. Nahafantarana zavatra maro sy vaovao. Hisaorana ireo tomponandraikitra nitondra ny tolotra teto an-toerana satria hita fa tsy ampy an’izany tokoa eto amin’ny fokontany » hoy i Toky, mponina ao Tanjonandriana.
Hitohy amin’ny fakana ny fako moa izany asa izany, herinandro aorian’izay fandehanana isan-tokatrano izay raha ny fandaharam-potoanan’ny service Raoka fako hatrany. Aorian’izay kosa vao hosokafana amin’ny fomba ofisialy ao an-toerana, ny volana Aogositra
Manitra R.
