SocialTsidika

Ny fitantanana ny fako ao Antananarivo

Faritra telo eto Madagaikara no hisitraka ny ivon-toerana manasokajy fako izay tetikasan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.

Efa an-dàlam-pamitana ireo ivon-toerana manasokajy sy mikarakara ny fako amin’izao fotoana izao izay ho an’ny faritanin’Antananarivo, Toamasina ary Antsiranana. Tetikasa fampiasam-bola ny daholo be ity no paik’ady napetraky ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra mba hampiroboroboana ny tontolo maitso. Manampy amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny fako tsy sy eroa koa ity tetikasa ity. i Toliara dia manana ity ivon-toerana ity ary ny kaomina an-drenivohitr’i Mahajanga koa dia efa manana toby fanodinana fako izay niarahany tamin’ny orinasa Mada Compost mba nanomezana lanja ireo fako mbola azo hahodina indray.

Nambaran’ireo tompon’andraitra ity tetikasa ity fa efa kely sisa dia ho vita ny ivon-toerana eto Antananarivo, ity farany izay mamoaka fako 300 taonina isan’andro. Ary nanampy ny avy tao amin’ny « Produir » na ny « Projet développement urbain et résilience intégrés sur le Grand Antananarivo » fa hisy fampiasam-bola hanatsarana ny fotodrafitrasa fanosehana eto an-drenivohitra hataon’izy ireo. « Tena ilaina ny fahaizan’ny kaominina ny mitantana ireo fako eto an-drenivohitra fa tena misandrahaka loatra ary ny vahoaka koa tokony hahay ampiasa ireo dabam-pako ireny ary hametraka ny fakony anatin’ireny tsara fa tsy haparitaka eny rehetra eny » hoy i Diamondra, mpandinika fiaraha-monina iray.

Mila ampianarina tsara ny vahoaka mba hahay hanaja tsara ny fanariam-pako satria na dia efa misy soratra famantarana izao aza ireny amin’ny karazana fako hariana ao anatiny dia mbola misy ny manao fanahiniana manao hatsirabina ihany, fa eo koa ireo olon-dratsy izay maka sy manala ireo daba fanariana fako napetraky ny avy ao amin’ny kaominina, tokony faizina izay tratra manao izany. Fa ny fanontaniana mipetraka dia tena ho vitan’ny kaominina tokoa ve ny hanena ny fako eto Andrenivohitra ?

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire