ConseilTsidika

Torohevitra fanalavana volo

Inona no atao raha te hanalava volo amin’ny fomba natoraly ? Maro ny fomba
fanalavana volo satria araka ny fanehoan-kevitry ny olona maro sendra fa
isan’ny mahasarika ireo tovolahy ny vehivavy lava volo. Ary ny volo no
anisan’ireo ahitana taratra fa mahakolokolo vantana ny vehivavy iray.
Isan’ny toro-hevitra efa nahitan’ny maro vokantsoa ny tongolo « oignon »
rah ate hanalava izany volo izany.

Tetetehina madinika na potehana tsara ny tongolo oignon iray ka afangaro
ary lomana roa andro ao anaty boaty kely misarona izy sy ny fatrana
shampooing sahaza ny volonao. Rehefa vita ny roa andro nandomana ilay
fangaro dia azo anasana voloamin’izay ary ajanona 15 minitra rehefa manasa
loha aminy. Averina in-dray isak’erinandro mandritry ny iray volana izany
fombafomba izany fa hahita vokany tokoa ianao no sady mampangirana ny volo.
Afaka mahasolo ny oignon ihany koa ny karibonetra na « bicarbonate », saingy
tsy mila halona mandrity ny roa andro fa afaka tonga dia ampiasaina avy
hatrany. Afangaro indray amin’ny karibonetra ny fatra shampooing sahazan’ny
volo toy ny karibonetra iray sotrokely dia shampooing iray sotrokely. Ary
ahosotra amin’ny volo mando avy hatrany ka ajanona 15 minitra eo ho eo
ihany koa ary aorian’izay ny fanakobanana no atao. Averina matetika isaky
ny herinandro ny fangaro raha te hahita vokatra tsara satria sady manala
angadrano ihany koa izany.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire