Anjeva: Miroso amin’ny dingan’ny fandrefesana ireo mpisitraka ny titre faobe
Taorian’ireo dingana maro sy famphafantarana ny mahasika ny titre faobe ao amin’ny kaominina Anjeva gara, dia miroso amin’ny fanaovana ny fandrefesana ireo tomponandraikitra. Nanomboka ny alatsinainy teo no nanomboka izany fandrefesana tany izany, araka ny voalaza.
“Mandritra ny fandaharam-potoana hanatanterahana ny fandrefesana ny tany ho an’ireo mpisitraka ny titre faobe dia ilaina ny manantona ny filoham-pokontany maka fanampim-panazavana. Ho an’ny anio sy rahampitso zoma dia ny fokontany Ambatofolaka, Faliary, Ambohidrazana ary Imerikiasinina no hanao izany fandrefesana izany” hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.
“Zava-dehibe ho anay mpisitraka izao fikarakarana ataon’ny kaominina izao. Hisaorana ny tomponandraikitra hatrany satria mikarakara hatramin’ny farany izy ireo ary mitan-tsoroka amin’ny fikarakarana ny taratasy isan-karazany” hoy i Théophile, mpisitraka.
Marihina moa fa efa nanomboka tamin’ny alatsinainy teo no nanatanterahana ity fandrefesana ity. Efa nahavita izany ny tao amin’ny fokontany Ankadiefajoro, Anjeva Tanàna sy Anjeva gara.
Manitra R.
