ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Hisy ny fivoriana ho an’ireo mpivarotra hani-masaka

Nandefa fampilazana maika ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo, fa hisy ny fivoriana izay atao ny talata 18 oktobra ho avy izao, iarahana amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, izay hiantsoana ireo mpivarotra hani-masaka rehetra ao anatin’ny kaominina.

“Zava-dehibe no ho dinihana mandritra ny fivoriana, indrindra ny mahakasika ny fifandraisan’ny hani-masaka sy ny fahasalamana sy ireo tsara ho fantatra samihafa; koa hanentanana ny rehetra mba hifampitaona hanatrika izany” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

“Ilaina tokoa ny fandraisana andraikitra tahaka izao, indrindra ny fanentanana ireo mpivarotra hani-masaka satria miantraika amin’ny fahasalaman’ny rehetra ny sakafo amidy eny rehetra eny” hoy I Santatra, mpianatra amin’ny lakozia.

Ny talata 18 oktobra 2022, manomboka amin’ny 10 ora maraina no hanatanetrahana io fivoriana io. Hirariana ny mba hisian’ny hetsika toa izao avokoa manerana ny kaominina hafa ho fanantenana mankany amin’ny tsara hatrany, indrindra eo amin’ny lafin’ny fahadiovana fahadiovana sy fahasalamana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire