Anjeva: Niverina amin’ny asany ny zotram-pitaterana mampitohy an’Anjeva sy Ambohijatovo
Niverina tamin’ny asany nanomboka omaly Alakamisy 08 Novambra ny zotra I izay mampitohy an’Anjeva sy Ambohijatovo, rehefa niato nandritra ny fotoana naharitra izay. Araka ny voalaza, tsy maintsy nisy ny fifampiresahana sy fanelanelanana natao tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, nahafahana namaha ny olan’ireo zotra mpitatitra izao.
“Ny manao zavatra tsy mora ary ny fitantanan-draharaham-panjakana tsy vitan’ny vava sy ny sandry na ny mokon-doha fa misy lalàna mifehy sy fitsipika arahana ary atao ampisainana ny dingana rehetra izay tsy maintsy lalovana. Vita ny alarobia hariva teo ny fanaovan-tsonia ny fahazoan-dalana mamerina ny zotra I mampitohy an’Anjeva gara amin’Ambohijatovo. Efa niverina nanomboka ny asa sahady ireo zotra, omaly alakamisy” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Natolotra ny filohan’ny koperativa STAT, omaly, ihany koa ny taratasy fahazoan-dalana miasa izay efa voasonian’ireo tomponan’andraikitra mahefa. Mbola hisy moa ny famoriana ireo mpitatitra rahampitso asabotsy ho fanomezana toromarika azy ireo mba tsy hiverenan’ny olana nisy teo aloha, ary indrindra ho fametrahana aminy ny fanajana ny bokin’andraikitra” hoy hatrany ny ben’ny tanàna.
Raha tsiahivina, noho ny tsy fananan’ny koperativa fahazoan-dalalana avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra, hiantsona eo Ambohijatovo no nahatonga ny zotra tsy niasa nandritra ny fotoana naharitra io, ka izao nitondran’ny ben’ny tanàna ao an-toerana vahaolana izao.
Manitra Ramanantsoa
