ActualitésTsidika

Festival Zaza Rap Taiza: Efa tonga eto Madagasikara ireo mpanakanto vahiny hanafana ny hetsika.

Hetsika iray lehibe hihaonan’ireo mpankafy ny gadona Rap ity festival Zaza Rap Taiza izay hatao amin’ity volana desambra ity, izany hoe ny 7 ka hatramin’ny 10 desambra izao izany.  Efa nigadona teny amin’ny seranam-piara-manidina Ivato ireo mpanakanto mpivoy nyRAP izay nafarana. Maro izy ireo ary efa andrarezina avokao toa an’i Youssoupha, i Blacko, i Chilla sy ireo mpanakanto maro hafa. “Sekoly taloha”, izany no lohahevitra nitondrana ity hetsika ity raha ho amin’ity taona ity.

“Efa andro maromaro izay no niomananay handray ireto olo-malaza manana ny maha izy azy amin’ny tontolon’ny Rap ireto. Tonga izy izao ka vonona ny hanolotra ny tsara avy any aminy raha ny resaka nifanaovanay taminy. Efa mandeha ihany koa ny fivarotana ny tapakila ho an’ireo izay te hanatrika ny fampisehoana. Mbola hisy ihany koa ny tsy ampoizina enyb antsefatsefany eny fa manantena ireo mpankafy hatrany hanaraka”, hoy ny avy ao amin’ny Association ZRT, mpikarakara ny hetsika.

“Sekoly taloha, satria maro ary karazan’olona betsaka no mankafy izany RAP izany. Ireo tena mpankafy taloha ihany anefa no tena betsaka mbola manaraka hatramin’izao ka mety ary azo hatao raha ity gadona iray ity no hanabeazana; azo hatao ihany koa hoe, hampiroboroboana ny RAP eo amin’ny olona taloha ihany koa izy io ary hampahafantarana azy ireo fa mahaso any Rap fa tsy voatery hitarika ny tanora amin’ny ratsy foana”, hoy hatrany ireo mpikarakara.

“Efa hatramin’izay no nankafy ny gadona RAP, tsy maintsy tonga foana vao mahare. Indrindra moa amin’ity festival ity izay natao indrindra ho faran’ny herinandro. Fotoana iray hahafahana mianoka sy mankafy tanteraka ny gadona ka tsy havela handalo mihitsy na dia eny Antsirabe aza no mipetraka”, hoy i Ravaka, mpankafy ny RAP avy any Antsirabe.

Ankoatra ireo mpanakanto vahiny ireo dia maro ihany koa ireo mpanakanto Malagasy izay mivoy ity gadona ity no hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanafanana ny sehatra mandritra ity faran’ny herinandro ity ao amin’ny Laapan’ny Fanatanjahantena Mahamaina izay mety harahina “after live” indraindray eny amin’ny Le Radisson Blu Ankorondrano.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire