Ankadifotsy: Parking nirodana, olona enina mianaka no indray namoy ny ainy
Toerana iray fitobian’ny fiara no nirodana tao Ankadifotsy Ambodivona tamin’ny roa maraina teo. Nirodana taty amin’ny tranon’olona avokoa ny fiara teo ambony rehetra. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina. “Nisy nidoboka be tany ho any. Hay ilay tamboho misy parking teto amboninay no nirodana. Nirodana taty ambany daholo ny fiara rehetra” hoy i Nomena, fianakavian’ny tra-boina. “Olona 6 mianaka no namoy ny ainy tamin’ity loza ity. Ny raim-pianakaviana sy ny vadiny, ny zanany sy ny vinantony, ny zafikeliny ary zazakely iray hafa ireto maty ireto” hoy ny avy ao amin’ny mpamonjy voina. “Tena mampalahelo ny zava-mitranga. Very Havana ny fianakaviana. Aina maro nafoy tao anatin’ny fotoana vitsy” hoy i Albert, mponina teo amin’ny manodidina. Tafavoaka soa aman-tsara kosa ny olona sasany. Rava trano sy tsy manan-kialofana ireto fianakaviana tra-manjo ireto. Andrasana ny fandraisana an-tànana ataon’ny tompon’andraikitra.
