Dépêche : Tsy mbola vaky ny Tohadranon’Antelomita
24 Janoary, 09h00. Mitosaka be ny rano avy ao amin’ny tohadranon’Antelomita hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny APIPA saingy tsy mbola vaky. Nampitrandrina ny olona mipetraka manodidina ny reniranon’Ikopa mba hiala amin’ny toerana izy ireo. Anisany ireo toerana tandindomin-doza ny kaomnina Masindray, Ambohimanambola, Alasora, Ankaraobato, Antananarivo, Tanjombato, Soavina ary Anosizato Andrefana.Niangavy ny tsirairay ny APIPA sy ny BNGRC handray ny andraikitra tandrify azy ary tsy handika ny fepetra efa napetraka.
